VAVAKA TSY MAINTSY ATAO (#9364)

*Vavaka fohy tsy maintsy atao isan’andro eo anelanelan’ny roa ambinifolo ora atoandro hatramin’ny filetehan’ny masoandro
 

Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa noharianao mba hahafantatra Anao sy hankalaza Anao. Manamarina aho, amin’izao fotoana izao, ny fahalemeko sy ny Fahefanao, ny fahantrako sy ny Harenao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy sy Tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

VAVAKA TSY MAINTSY ATAO (#9365)

*Vavaka tsy maintsy atao in-telo isan’andro: ny maraina, ny tolakandro, sy ny hariva hatramin’ny ora roa aorian’ny fiposahan’ny masoandro.
 
*Izay maniry hanao ity vavaka ity, aoka izy hanasa tanana, ary hiteny hoe:
Atanjaho ny tanako, ry Andriamanitro ô, mba handray ny Bokinao amim-pahamatorana ka ny tafik’izao tontolo izao dia tsy hanana fahefana aminy. Arovy izy, noho izany, tsy hitsabaka amin’izay tsy azy. Ianao, marina tokoa Ilay Tsitoha. Ilay Mahery indrindra.

*Eo am-panasana ny tava, aoka hiteny hoe:
Natodiko tany Aminao ny tavako, ry Tompoko ô! Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Endrikao. Arovy izy, noho izany tsy hitodika na any amin’iza na any amin’iza afa-tsy any Aminao.

*Aoka izy hitsangana, mitodika any amin’ny Qiblíh (toeram-pankalazana, izany hoe Bahjí, any Akora), aoka hiteny hoe:
Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy. Azy ny fanjakan’ny Fanambarana sy ny Famoronana. Izy, marina tokoa, no naneho Azy Ilay Fiposahan’andron’ny Fanambarana, Izay niresaka tao Sinay, Izay nampahazava ny Faravodilanitra avo indrindra, sy nitenenan’ny “Hazo-farany” izay ankoatra azy dia tsy misy lalana hafa azo lalovana, ary avy Aminy no nandefasana ny antso ho an’ireo rehetra izay any an-danitra sy ety an-tany: “Jereo! Tonga Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Ny lanitra sy ny tany, ny voninahitra sy ny fanapahana dia an’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny olona rehetra, Ilay Tompon’ny Seza fiandrianana eny ambony sy ety an-tany ambany”.

*Aoka izy hiondrika ary manaraka izany, ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika ary miteny hoe:
Avo tokoa Ianao ambonin’ny fiderako sy ny fideran’ny olona afa-tsy izaho, ambonin’ny famaritako sy ny famaritan’ny rehetra izay any an-danitra sy izay ety an-tany!

*Avy eo, mitsangana, misokatra ny tanana, ny fela-tanana miakatra manoloana ny tava, dia miteny hoe:
Aza mandiso fanantenana azy, ry Andriamanitro ô, izy izay, amin’ny tanam-pitalahoany, niatsampy tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao, o Ianao ilay Mpamindrafo indrindra amin’ireo mpamindrafo.

*Aoka izy hipetraka ka hiteny hoe:
Mijoro vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao. Marina tokoa, naneho ny Fototrao Ianao, nanatanteraka ny Fanekem-pihavananao Ianao, ary nanokatra midanadana ny varavaran’ny Fahasoavanao ho an’ny mponina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Ny fitahiana sy ny fiadanana, ny famonjena sy ny voninahitra dia hitoetra ho an’ny olon-tianao, izay tsy voasakan’ny fiovana sy ny kisendrasendran’ity tany ity hitodika any Aminao, ary nahafoy izay rehetra azy, am-panantenana handray izay avy Aminao. Ianao, marina tokoa, Ilay mpamela heloka mandrakariva, Ilay Mpangoraka Indrindra.

*Raha misy misafidy hanonona ireto teny ireto fa tsy ireo andalana lava dia ampy :
“Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Izay mamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.” 
* Torak’izany koa, eo am-pipetrahana, ampy ny misafidy hanonona ireto teny ireto : 
“Vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny Maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao”

-Bahá'u'lláh
-----------------------

VAVAKA TSY MAINTSY ATAO (#9366)

*Tonom-bavaka lava izay vakiana indray mandeha isan’andro. 
*Raha hanao ity vavaka ity, dia aoka hitsangana, mitodika any amin’Andriamanitra ary tsy miova toerana, miherikerika an-kavanana sy an-kavia toy ny miandry ny famindrampon’ny Tompo, Ilay tena be Indrafo, Ilay Onena. Aoka izy hiteny hoe:
Ianao izay Tompon’ny anarana rehetra sy Mpahary ny lanitra! Mitalaho Aminao aho noho Ireo izay Fiposahan’ny Andron’ny Fisianao tsy hita maso, Ilay Be Voninahitra, mba hanao ny vavako ho afo afaka handoro ny voaly izay nanakona ahy tamin’ny Hatsaran-tarehinao, ary fahazavana izay mitarika ahy eny amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao.

*Aoka hanandratra ny tanana ho mariky ny fitalahoana amin’Andriamanitra, deraina sy ankalazaina anie Izy, ary hiteny hoe:

O Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao, Ilay Malalan’ny firenena! Hitanao aho mitodika eny Aminao, ary afaka amin’ny firaiketam-po amin’ny hafa afatsy Ianao ary mifikitra amin’ny fatoranao, izay ny  fihetsehany dia mamelombelona ny nohariana rehetra. Mpanomponao aho ry Tompo ô ary zanaky ny mpanomponao. Inty aho mitsangana vonona hanatanteraka ny Sitraponao sy ny Fanirianao ary tsy maniry zavatra hafa afa-tsy ny Fahafinaretanao. Mitalaho Aminao aho, noho ny Ranomasimben’ny Famindramponao sy ny kintana Marainan’ny Fahasoavanao, mba hampiasa ny mpanomponao arak’izay tianao sy mahafinaritra Anao. Noho ny Herinao izay mihoatra lavitra ny filazana sy ny fiderana rehetra, izay nambaranao dia fanirian’ny foko sy fanirian’ny fanahiko.
Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Aza miraharaha ny fanantenako na ny asako fa ny Sitraponao izay mandrakotra ny lanitra sy ny tany. Noho ny Anaranao Lehibe Indrindra, ô Ianao Tompon’ny firenena rehetra! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy tia afa-tsy izay tianao.

*Mandohalika ary manondrika ny handrina amin’ny tany, miteny hoe:
Avo dia avo tokoa Ianao, ambonin’ny famaritana rehetra afatsy ny famaritana ny Tenanao sy ny fahafantarana hafa afa-tsy Ianao.

Mitsangana indray ary miteny hoe:
Aoka ny fivavahako, ry Tompoko ô, ho toy ny loharanon’ny mamelombelona izay ahazoako mivelona mandra-paharetan’ny Fiandriananao sy manambara Anao ao amin’ny tsirairay amin’ireo Tontolonao.

*Asandratra indray ny Tanana am-pitalahoana ary miteny hoe:
Ô Ianao izay ny fisarahana aminy dia mahaketraka ny fo sy ny fanahy, ary ny afom-pitiavany dia manenika izao tontolo izao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nandresy ny zavaboahary rehetra, mba tsy hisakana ho ahy izay Anao. O Ianao izay manjaka amin’ny olon-drehetra! Hitanao, ry Tompoko ô, ity vahiny dodona ho eny amin’ny toerany tena be voninahitra, ho eo ambanin’ny alokin’ ny Fiandriananao, ho ao amin’ny toeran’ny Famindramponao, ary ity mpanota eo am-pitadiavana ny ranomasimben’ny Famelankelokao, ity manetry tena ny tokontanin’ny Voninahitrao, ity olo-mahantra ny fiposahan’ny Harenao. Anao ny fahefana handidy izay irinao. Vavolombelona aho fa tokony ankalazaina Ianao amin’ny Asanao, ankatoavina amin’ny Baikonao ary tsy manam-petra amin’ny Didinao.

*Ampiakarina ny tanana ary mamerina in-telo ilay Anarana Lehibe (Alláh’u’Abhá). Miondrika rehefa avy eo anatrehan’ Andriamanitra - deraina sy ankalazaina anie Izy -apetraka ny tanana eo ambony lohalika, ary miteny hoe:
Hitanao, ry Andriamanitro ô, ny fanahiko dia mihovitrovitra miaraka amin’ny ratsam-batako, amin’ny faniriany hankalaza Anao ary ny fiandrandrany hahatsiaro sy hidera Anao. Hitanao ny nanamarinany izay namarinin’ny lelan’ny Baikonao ao amin’ny fanjakan’ny Teninao sy ny lanitrin’ny Fahalalanao. Amin’izany, ry Tompoko ô,  tiako ny mangataka Aminao izay rehetra Anao mba hanaporofoako ny fahantrako, ary hanomezam-boninahitra ny Hatsaram-panahinao sy ny Harenao, hanambarako ny fahalemeko ary anehoako ny Fahefanao sy ny Herinao.

*Mitraka indray, asandratra in-droa ny tanana ho mariky ny fitalahoana, ary milaza hoe:
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay Onena olona. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpandahatra, hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafarana. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, nampahery ahy ny Indrafonao ary nampatanjaka ahy ny Famindramponao; namoha ahy ny Antsonao, nampisondrotra ahy ny Fahasoavanao ary nitondra ahy ho any Aminao. Raha tsy izany, iza aho no ho sahy hitsangana eo am-baravaran’ny fonenan’ny Fanakaikezanao, na hampitodika ny tavako eny amin’ny fahazavana izay mamirapiratra avy eny amin’ny lanitrin’ny Sitraponao? Hitanao, ry Tompoko ô, ity olo-mahantra mandondona ny varavaran’ny Fahasoavanao, ity fanahy mihelina izay mikatsaka ny reniranon’ny fiainana mandrakizay avy amin’ny tanan’ny Fahasoavanao. Anao ny fandaharana amin’ny fotoana rehetra, ô Ianao izay Tompon’ny Anarana rehetra; ary ny ahy dia ny fanekena sy ny fanoavana am-pitiavana ny Sitrakao, ry Mpamorona ny lanitra rehetra ô! 

*Asandratra in-telo ny tanana ka miteny hoe:
Andriamanitra dia lehibe noho ny lehibe rehetra.

*Mandohalika manaraka izany sy miankohaka amin’ny tany ka milaza hoe:
Avo loatra Ianao, mba ho afaka hisandratra any amin’ny lanitry ny Fanatrehanao ny fideran’ireo izay akaiky Anao, na mba hahatratra ny tokonan’ny Varavaranao ny voron’ny fon’ireo izay manolon-tena ho Anao. Manamarina aho fa nohamasinina mihoatra ny hatsarana rehetra Ianao ary masina mihoatra ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Avo indrindra, Ilay Be Voninahitra.

*Dia mipetraka ka milaza hoe:
Manamarina aho, izay namarinan’ny voahary rehetra, ny Fihaonan-danitra, ny mponin’ny paradisa ambony indrindra, ary ankoatr’ireo, ny Lelan’ny Fahalehibiazana avy amin’ny Faravodilanitra feno voninahitra, fa Ianao  dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ary Izy ilay nambara no Misitery miafina, Ilay Famantarana sarobidy izay nakambanana sy nampiraisana ny litera B sy E (Be = Misia). Manamarina aho fa Izy Ilay anarana nosoratan’ny Penin’Ilay tena Avo ary nolazaina tao amin’ny Bokin’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny Fiandrianana any an-danitra sy ety an-tany.

*Mitsangana ary miteny:
Ry Tompon’ny aina rehetra ô, sy Ilay Tompon’ny zavatra hita sy ny tsy hita rehetra! Hitanao ny ranomasoko, tsapanao ny sentoko, renao ny fitarainako, ny fitolokoako sy ny fitomanian’ny foko. Noho ny Herinao! ny fahadisoako no nisakana ahy tsy hanatona Anao ary ny fahotako no nampanalavitra ahy ny tokonan’ny Fahamasinanao. Ny Fitiavanao, ry Tompoko ô, no nampanan-karena ahy; ny fisarahana Taminao no nanimba ahy, ary ny fanalavirana Anao no nandevona ahy. Mitalaho Aminao aho, noho ny mariky ny dian-tongotrao ato amin’ity tanihay ity ary noho ireto teny ireto: “Inty aho, inty aho”, izay notenenin’ireo nofidinao ao amin’ity midadasika ity ary noho ny Tsiokan’ity Fanambarana ity ary ny tsiodrivotra malefaky ny somambisambin’ny Fanehoanao, mba handidy izay ahazoako mandinika ny Hatsarantarehinao sy hankato izay rehetra ao anatin’ny Bokinao.

*Avereno in-telo : “Alláh’u’Abhá”, miondreha ary ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika, ka miteny hoe:
Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, noho ny nanampianao ahy hahatsiaro Anao sy hidera Anao, noho ny namelanao ahy ahafantatra Ilay izay Somambisambin’ny Famantaranao, ary nahatonga ahy hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra sy nahafantarako izay notononinao tamin’ny Lelan’ny  Fahalehibeazanao.

*Mitsangana ka miteny hoe:
Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Nivokoka ny lamosiko noho ny vesatry ny fahotako ary ny fanaovako antsirambina dia nanimba ahy. Rehefa misaintsaina ny asa ratsiko aho sy ny Fiantranao, dia torotoro ny foko ao anatiko ao ary mangotrangotraka ny ràko ao amin’ny lalandràko. Noho ny hatsaran-tarehinao, ô Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao! Mivoaramena hampitraka ny tavako eny Aminao aho ary menatra hanatsotra ny tanako mitalaho any amin’ny lanitry ny Halemem-panahinao. Hitanao ry Andriamanitro ô, toa inona ny ranomasoko izay misakana ahy hahatsiaro Anao sy hanandratra ny Hahatsaranao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fiandrianana any amin’ny avo sy ety an-tany ambany. Mitalaho Aminao aho, noho ny famantarana ny Fanjakanao sy ny zava-miafin‘ny Fanapahanao, hanao amin’ny olon-tianao toy izay mifanaraka amin’ny Hamoramponao, ry Tompon’ny fisiana rehetra ô, ary araka izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao, ô ry Mpanjakan’ny hita sy ny tsy hita!

*Averina in-telo: “Alláh’u’Abhá”, dia mandohalika, ny handrina miankohoka amin’ny tany, ka milaza hoe:
Deraina Ianao, ry Andriamanitray ô, noho ny namelanao hidina ety aminay izay mampanakaiky anay Aminao sy ahazoanay ny harena nampanantenainao rehetra ao amin’ny Bokinao sy ny Soratrao. Miangavy Anao izahay, ry Tompo ô , arovy amin’ny tafiky ny fisainam-poana sy ny hevidravina izahay. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.  

*Mitraka amin’izay, mipetraka ary milaza hoe:
Manamarina aho, ry Andriamanitro ô, izay namafisin’ny olom-boafidinao ary mahafantatra aho izay neken’ny mponin’ny Paradisa tena Avo sy ireo izay mihodidina ny Seza fiandriananao.
Anao ny fanjakan’ny tany sy ny lanitra, ry Ilay Andrian’izao tontolo izao ô.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

